• ZANDRY

    aoka leitsy zandry,aza hananganan-tsandry
    tonio aloha ny fo,aoka ialahy tsy ho tohina
    raha hiteny kely hamoha fota-mandry:
    "gasy leitsy isika,aoka tsy ho adinoina,

    aoka leitsy zandry,isika manam_pady
    tandroka,arofanina miaro amin-dratsy
    ka aza atositosika ny hazo amoron-kady
    anaty fombantsika,ny riba Malagasy,

    tadidio razandry isika manan-drazana
    ny soatoavintsika dia ny fihavanana,
    manam-pahendrena raha ireny Ntaolo
    aza avela hikoro toa tanàna haolo,

    ô leitsy zandrikely,afaka fongarina
    ny lavo nohitsahin'ny rivo_pandrosoana,
    afaka lovaina ny rary sy ny marina
    natopatopan'onjan'ny fanatontoloana,

    ô leitsy zandrikely,aza alikalika
    na afangarongaro ny tenin-drazantsika
    fa manana ny hasiny,lanjany izy io
    izay no tadidio manomboka anio,

    inoako ialahy mandinika,manana fanahy
    ka aoka leitsy zandry sao tafahoatra loatra
    fa"masina ny sata izay nohosen'ialahy"
    hafatra napetrak'I Randza ZANAMIHOATRA.


    RaAnRaMa
    08-04-13

    « LASA AHOHo anao malahelo »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :