• vorona! embona

    Ô ry vorona mandalo !
    mba lazao ilay olon-tiako
    ity mba misy tononkalo
    ho mariky ny fiafiako


    Ambarao azy tsara
    fa ny fitiavako tsy ritra
    dia mianara hono tsara
    ialao ny revy sy ny ditra


    Tsaroany foana hono hoe
    ireo oroka sy rotsirotsy
    sy ireo fotoana mamy be
    isaky ny Sabotsy


    Tsy misy intsony anefa izany
    fa ianao tsy eto intsony
    ka ranomaso sy tomany
    no mandrakotra ny fony


    Lazao izy handefa sarvoron'alay vao
    fa rovitra ilay taloha
    maty oroka isan'andro izao
    raha handeha hatory sy hifoha


    Misentoa hoe tokana ihany
    raha manina ny aty
    Dia aza arahina tomany
    fa manjary mankahia

     


    Izay angamba no azo ambara
    fa lazao azy avokoa
    mandehana sao tara
    soava dia, tongava soa


    Azafady! saika hadino
    vetivety kely, farany!
    Izy hono hoe dia mbola mino
    fa ianao no efa anjarany

    Eric Niaina

    « HO AFA-BELA VE?Namako ianao »

  • Commentaires

    1
    lé môta gasy
    Mardi 19 Juillet 2016 à 13:39
    tsara sady mahafinritra
    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :