• Tsy haiko intsony….

    Ho anao no anoratako izao izao taratasy izao,

    Hafatra ampitaiko an-tsoratra sy vetso

    Embona mikiry, mihiaka ,mitalaho

    Tantara mitambolona mamongatra ny sento

     

    Fantatrao ?

    Tiako ny miaina ireo lasa nolalovana

    Mamy saingy izao…,

    Mangirifiry ihany ny ratram-pahatsiarovana

     

    Raha izay moa,raha izay ,hono, ka voadingana ny omaly

    Dia izao anio izao ho nofy ihany angamba ?

    Fa angaha tokoa tsy nisy mba nifaly e ?

    No injao anio ka hoe hikopa-damba !

     

    Asa !!! Fa hatreto aloha ,tokana ny teniko

    Tsy nenina tsy akory ireo tanjona kinasa fa…,

     Ampoka tanteraka,tofoka aho ,tsy afeniko

     

    Apetrako ho veloma, fijery indray mitopy

    Maso mitantara ireo fo niray fitempo

    Raha ny ho mandrakizay no voady sy ny toky

    Ilay teny hoe tia anao,aoka ho faranako eto

     

    Noé 11/02/2014

    « Ilay diariko…Hangina »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :