• TOVOVAVY TSARA FA....

    mpiatsarivelatsihy no sady tia tena,
    mirafitra toa trano,manaitra raha jerena
    mihaingo sy miravaka karazam-boninkazo
    raozy miampy pika efa madiva halazo,

    mandrapaka tsy miera,tsy mampilaza akory,
    io no mampisaona no sady mampahory
    ireo taitaitra tsy mifidy tsara
    ny lalan'ny fanahy fa mora taratara,

    io no atahoran'ny Ntaolo Malagasy
    fa trano mitahiry ny fanahy ratsy
    tsy afaka ny hivelona intsony eo an-tany
    no koa tsy tafiditra any an-danitra any,

    tandremo ny safidy,tandremo ny fijery
    sao ianao ho sendra ny trano manirery,
    fa misy trano mendrika tsy mampiahiahy
    na ratsy ety ivela,manana fanahy.


    RaAnRaMa
    10-04-14

    « HO INONANOANA ! »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :