• Tontolonao mpanoratra

    Habaky ny tononkalo malagasy hampifandraisan-tendro ny aim-panahy mipololotra... Miarahaba anao tongasoa eto amin'ity habaky ny soratra sy ny kanto tarafina sy tsapa ao anatin'ny tononkalo ity. Mpanoratra maro efa sangany na vao misandratra no hanoratra eto, ka mirary anao hianoka ireo asa soratra am-pitiavana.

  • Te

    TE ...

    Te

    Te hitomany saingy ritra ranomaso,

    Te hifaly saingy songonan'ny ankaso,

    Te hitia saingy matahotra haratra,

    Te ho roa saingy irery hatrany ka tsy zatra,

    Te ho any saingy tsy mahita lalana ombana,

    Te ho afaka saingy mangeja loatra ny rohy mitana,

    Te hifikitra saingy malama maina izato rantsana,

    Te hampiaraka saingy tsy mba sahy ny hitantana,

    Te ho anao saingy miahotra sao ianao manan-tompo,

    Te hihoatra saingy lalina loatra ka lefy hatramin'ny zoto.

     

    RafHon


    votre commentaire
  • Ny masoko eny akia raha toa manganohano
    Tsy ny ratram-poko akory no hikorinany
    Fa piti-dranomaso hanefa ny tsodrano
    Mirary soa anao ho sambatra eo anilany,

    Ny vavako ihany koa raha toa hiloa-peo
    sanatria hanozona na mafy izany lavina
    f’hambara teny mamy sy vavaka ho anareo
    ho to ny faniriana,hahita izay tadiavina,

    nv voadiko iny anefa tsy maintsy ho efaiko
    teny efa voalaza tsy azo ivadihana
    “ny mahafaly anao no ataoko sombinaiko’’
    amin’izay atao hahita fanambinana

    soavadia rahavako ary aza mierikerika
    tozoy ny lalanao aoka tsy hahatsiaro
    sao hanahy ry izy hanjary hieritreritra
    ny lasantsika ho velona,k’ho lasa saropiaro.


    RaAnRaMa


    1 commentaire
  • Ilay vavana iny
    Nahantra iry fahiny,
    Tsy hay fa dia lasa
    Nanangana orinasa

    Izato orinasany
    Hainy sy voatantany
    Niroborobo fatratra,
    Marobe mpanaraka

    Teny an-tsena teny
    Teny rehetra teny ,
    Ny asa no niatomboka
    Hahabe mpiroboka

    Tsy renivola akory
    Fa resa-baiboly
    No fototra niangany,
    Re laza aok’izany

    Ary bala ror a
    Ny azy no akora
    Sy voka-tsarobidy
    Afafy sy amidy,



    Kanefa fahagagana
    No tena mahatamana
    Ireo mpanompo ao
    Fa dia gaga ianao,

    Angamba fitahiana
    Ireny fanampiana
    Ataon-drapasitera
    An’ireo mpidera,

    Angamba re ny nofo
    Angamba tsy hiofo
    F’handova koa ny lanitra,
    Asa an’Andriamanitra !!!!

    Fandroson-tanana
    Sa tara-pahantrana
    Ny vola mora alaina,
    Asa re ry saina !!!!


    RaAnrama
    08-09-14


    votre commentaire
  • ny tena lehilahy
    dia toy ilay vatolahy an_tampon'ny havoana,
    ilay mijoro foana
    mihafy tsy mifindra na oram_be mikija
    na danika hain'andro, fanalan-dranon'ando
    na rivotra mifofo sy varatra an-jolofo,

    ny tena lehilahy
    dia ilay fanahy mitraka sy mahery,
    ilay tsy azom_pery
    fa sinim-bahaolana
    mahafehy irery ny loham_piankohonana,

    ny lehilahy rehetra
    dia loharano mamy,manala hetaheta
    manonaka ny tany,
    mpamelon-javaboary
    .....sila-Janahary

     

    RaAnRaMa


    votre commentaire
  •  

    Te hitomany saingy ritra ranomaso,

     

    Te hifaly saingy songonan'ny ankaso,

     

    Te hitia saingy matahotra haratra,

     

    Te ho roa saingy irery hatrany ka tsy zatra,

     

    Te ho any saingy tsy mahita lalana ombana,

     

    Te ho afaka saingy mangeja loatra ny rohy mitana,

     

    Te hifikitra saingy malama maina izato rantsana,

     

    Te hampiaraka saingy tsy mba sahy ny hitantana,

     

    Te ho anao saingy miahotra sao ianao manan-tompo,

     

    Te hihoatra saingy lalina loatra ka lefy hatramin'ny zoto

     

     

    RafHon


    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique