• Tontoloko tononkalo

    Zara tsy ahy fa iombonako aminao ny fitiavana ny tononkalo sy ny tontolon'ny asa soratra malagasy. Izay mba tsapako no hozaraiko aminao eto. Tononkalo malagasy, kanto marolafy... Fantaro ny momba an'i Ny Ampinga.

  • ARINDRINA TSY HISETRA NY RIVOTRAO MANDALO NY FOKO

    FA AMPY AZY IZAY TAFIOTRA NANDITSOKA NY MASONY

    TSY NAHITANY AKORY FA, HAY EFA LASANAO NY KANTONY

    DIA, NOFO TSY RAVA SISA TAVELAN’ILAY IZAHO TSISY PENTINA

    SOLAFAKY NY TENY VOADINTY SY ANGOLA MAMPANDRY FANAHY

    KA ROBOKA ANATIN’NY FOTA-MANDREVOM-PAHALAVOANA

    HOENTIKO MODY ANGAHA NY POTIK’IREO HAJAKO TAVELA

    FA IZAY NATOLOTRO HO SORONA KOSA EFA NAFOIKO

     

    Ny Ampinga


  • Mahaleova mahalasàna

    Ry tany hihereko

    Ny am-polon-taona dimy

    Nivahan’ny fatorana tamin’ireo mpanjanaka

    Nosoloana vahoaka an’alan-kisa gejain’ny fahoriana

    Isan’andro isa-minitra…

     

    Zanahary ô, aza adinoina

    Ny mitahy ireo mpitondra

    Mba ho tena voky tsara sy ho henik’azy ireo

    Ny dinitray mianakavy

    F’izahay aleo handady…

    Hikoso-maso tsy hitomany

    Fa ditsoky ny vovoka, ela nilalaovana

    Mpitondra feno rivotra ao am-bava

    Nolaroina rora

    Dia antefoka eny an-tavanay

    Hampanantenana indray

    Fiovana feno vaika

    Mbola miandry izahay

    Tsy miova dina

    Tsy miova faniriana

    Fa faniriana ela nihotrehana

    Dimampolo taona mahery izay…

     

    Ndao indray hanao fombafomba

    Hizara kilalao

    Hisafo andian-tafika

    Hanao lanonam-be

    Hanakonana ny ratra tsy sitran’efa ela

    Ndao indray, hivarotra mitsangana

    Dia hanome galona

    Ireo bekotromaro holatry ny ady fahizay

    Dia avela izao hitohy

    Ka rehefa kelikely

    Ny vahoaka manontolo

    Na mety ho ny maro an’isa

    No ho bekotrom-pahoriana

    Fa tsy maninona,

    Raha izay no mahamety

    Mahamandina takoloka

    Ireo mpitaingintsezan-tsika.

     

    Mirary soa, ho tratran’ny ela mitsingerina

    Ianao ry fireneko

    Tsy mandohalika e!

    Fa mijoro miankinankina

    Fa mijoro ankinankina.

    Hitsingerina tokoa, izao taona tsy azo tanana

    Hifampandova fahoriana eto

    Ireo natsentsin-dava-bary;

    Fa mbola ho maro ihany koa

    Ireo mpambotry firenena

    No hamalona ny hatony

    Amin’ny tolona natao.

     

    Mahaleova mahalasàna

    Raha tsy lasa adala aloha

    Ianao ry Malagasy

    F’izaho aloha handeha hody

    Hariv’izao ny andro

    Ny arendriko efa may.

     

    Ny Ampinga

    270614


  • Indramo ny lalana mizotra makany amin’ny fitsihifam-panahy

    Dia izay toroka miteli-teny no sisa hosivanina

    Fa ‘reo vavany tsy maty te ho ringana

    Hisaona eo atsimon-tsaroana ny nofo rehetra

    Nangidihidy ranon-teny fonizany…

    Atolotro am-bava-Alakaosy ny silan-taolana

    Tsy voakikin’ny fiainana…

    Ampisedraina ny tandrok’Adaoro ny andro hariva

    n’ireo namadika tsiambarambara…

    Fa ny teny nindramiko tamin’ny Tompony

    Natsidiko teo antokonany no noroahiny mody maizim-bolana

    Hiantsoako fanahy amy ombiasy ny anaran’ireo

    Dia ho bedin’I Ray ho bedin’I Reny…

    ‘Zay nivadi-pitia tamin’ny tiana

    Ho rovi-kiraro lavi-dalana.

     

    Ny Ampinga

    15 05 14


  • Mipongatra tsy tana

    Toa setroka atosi-drivotra

    Ny fiontanam-pifaliana

    Fa to izay niriana…


  • Fitaomana

     mitondra hazavana, mitery hafanana

    hirotsaka

    handoatra horakoraka, hanjifa aim-panahy.

     

    Hisokatra

    Hamela fivoaham-betivety monja

    Handrotsaka

    Tsiahin-tsaina an-tadidy.

     

    Fisiana

    Tadidin’ny segondra nangalaran’hasambarana

    Finidy

    Tsy mety levona an-tsegodra, fa velon’aina soamatsara.

     

    Ny Ampinga





    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique