• TEO ANTANINARENINA

    Misarintsarinao daholo TEO ANTANINARENINA
    Ny lokon'ny tontolo
    rehetrarehetra tazako
    miloko anao fitiavako
    Manao fangalapiery
    anaty vondron'olona
    Ny masoko ankiroa 
    tampoka mijery ny avy eo ivoho
    sasatra mandinika ny olona eo aloha 
    Tapitra voatetiko 
    ireo seza vato manemi_jaridaina 
    Izaho sy ny sentoko 
    nidina tsy niato ilay tohatohabato
    narahin'adintsaina
    Tsy mino koa ny saina fa tsy teto ianao androany
    tsy tonga mba hifaly
     
    O ! izaho ity badenina
    Ety antaninarenina.

     

     
    « TSY...SAROBIDY »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :