• teny roa

    Teny roa dia efa ampy
    Ilazako ny ato anaty ;
    Teny roa no vatolampy,
    Tsy voazera mandramaty.
     
    Teny roa dia efa afaka
    Manambara ny ato am-poko ;
    Teny roa no tena miavaka,
    Mbola meva sy miloko.
     
    Ny voalohany dia ny TIAKO,
    Ny faharoa dia ny hoe : IANAO,
    Ka ny hany mbola iriko,
    Ny fitambarany eto izao.
     
    Mba tia anao ny tena
    Ka tsy mahafoy hatrany ;
    Ianao no mbola harena,
    Tsy voasoloko eto an-tany.
     
    Teny roa !...Tsy mihoatra !
    No mbola sarotra kosehina ;
    Teny roa no mamy loatra,
    Tsy hay akoro na potehina.
        

      Fredy JAOFERA

    « IZA ?IOMBONAKO »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :