• TARIGETRAKO

    Ny mikalokalo

    Mandefa ny vinany

    Ambiroa manidina

    an’habakabaka any

    no zava-mba lalaiko,

     

    mandrindra tononkalo

    mahatonga saina

    mamelombelon’aina

    ho an’ny manodidina

    ny mamy te (ho)zaraiko,

     

    ny akasom-pahavalo

    haningotra ny aiko

    tsy maintsy koa hatrehako

    sady mbola hiaretako

    mba hanatrarako

    izany tarigetrako.

     

    RaAnRaMa

    « RaAnRaMaekeko Ray O »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :