• SODOKA

    Soa ny doka fa na izany aza, aza dia sodoka. Soa ny eo anilanao fa mampiahotra ahy ilay tevana arantinao ny masoko mora fanina. Saingy mahamanina rehefa mitady haotriky ny fahanginana ny kotaban'ny saiko tsy manaiky ny saika tsy tonga. Izany hono ny tomany, ranomaso araraka ny takolaka efa mena fifin'ny tanika alahelo, mamerovero ny fofon'ny anilanao, ka malao tsiro tsy tsaroana raha tsy noana. Nahoana no miafina ao anaty efa hitako, ny ahiahy efa sitrako tsy teliko fony aho mbola nalaina ny hitsetsitra ny roatram-ponao. Noheveriko ho ratra mantsy ka vahotra sy natahotra sao dia irony mpitroka ra, raha tsy hoe izay no finidy nefa ve dia hamidy hatramin'ny tsy mety lafo? Dia ny lofo no hadika ho ezaka hizaka ny tsiriritran'ny fakam-panahy ka ho fihiniko ho ahy samy iarahana fa tsy irery toa jorery vaky feo mihiaka anaty kirihitra tsy ala fa efa halako bika tiako tarehy! Inona ary ity soratako, toa soratsora-poana nefa manala hiaka ny tontolo babangoana? Fiazako hatrany anefa, ka hiantefa eny avara-patan'ny mandinika ny tsy fanakatry ny saramba, ny tsy fihaniky ny matahotra ny tsy misy rantsana, hikarantsana ny feony feno fahanginana.

    RafHon


    « SOMBREIFONAKO, MALALA »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :