• SINDAN-TSENTO

    Tsy sanatria hitomany aho na koa handatsa-dranomaso fa ny onjan'ny ranomasina no hindramiko hivimbina ny alahelo vesatry ny tsatotsatoka naraikitrao hisy diany teo am-poko. Tsy harahako toloko fa ny kalo dia ampy hanipy azy any an-driaka mandrapahatongan'ny madiva hisava eo anoloana. Dia ho hadinoina sy tsy ho tsaroana avokoa ireo longoa nasainao nodiaviko, nitiavako anao ankitsirano, ankitsi-po ka hampisinda ireo enton-tsento mandrakotra ny rivotra fohako nofihiniko tao anaty. Miamboho teny ny eritreritro ka mila tsioka, manangon-tsaotra hatolotra ilay Nahary, ilay nanome ahy voary mirindra mbola hahafahako miarina sy mamindra eny amin'ny habaka mavana. Tomaratra hazavana mitsilo ny vinan'ny fiainana, rehefa iny maivana ny ratrako dia hobanjiniko ilay salovanao, tsy horarahako alahelo fa hirariako ho velona na dia hitsaka no nasetrinao ny fanahy henika ny te ho eo anila fony izaho mbola nanonofy hoe ianao ilay hasambarana! Soava levina ry nofin-kasambarako fa efa velona loatra ny aim-pisiako ka ny hany irariako dia ny hahatongavan'ny mamiratra koa ao anaty habakao!

    RafHon

    « Fredy JaoferaRafHon »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :