• SEDRA

     

    Tsiky tosaka eo imolotra,

    Feno halemem-panahy,

    Nosafidianao ho tolotra,

    Hamelombelona ilay tsiahy.

     

    Endrika mirana vonto-kafaliana,

    No asetrinao ireo fitsapana,

    Hainao hatrany ny maka hamamiana,

    Ao anaty olana saro-bahana.

     

    Teny tony heni-pitsaharana,

    Naloakao milahatra misesy,

    Manoritra kisarin-kasambarana,

    Manarin-tsaina ho mpandresy.

     

    Ny famindram-po no enti-miady,

    Ampinga handavoana ny fitiavantena,

    Ary ny finoana no atao kiady,

    Loharano fototry ny fahendrena!

     

    RafHon 

    « RafHonTany misy olona »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :