• Rindram-peniko

    Na samy mbola tsy afa-po aza

    Tsy aleo ve atao fanahiniana ajanona

    Modiana adaladala eny ny aditsaina

    Ariana any anaty alina any ny alahelo

    Avela ho lasa lavenona ny afo niaraha-nandroso

    Dia tsy atao mahita mazava ny maso

    Mba tsy hanembonana ny hafanana fahiny.

                Fa kely ny angovo enti-manoa

                Tsy mety tsy hitia ny fanahy                 

                Lasa manjohy aloka

                Lasa manaitra tantara

                Tonga mandindona ny tsiaro

                Fa tsy mba azo levonina, hay ny lasa

                Tsy manam-pahataperana amy ny ho avy.

    Mitambesatra ny lalana niraisana

    Mandifotra fotsiny ny alahelo

    Manosika hitampody ny nenina

    Te hanaitra ahy sy ianao

    Hiara-hiari-tory mamy

    Ho kotsam-pitiavana indray, hono,

    Hamoy fiarahana mandra-paoviana?

                Soritra tsy azo fafana ny teny

                Fa zezika napitrebona fisarahana

                Iza no omena tsiny?

                Mavesatra be amy ny Fanahy

                Ny mitelina ny tsiron-dresakao

                Toa mainty am-po ny lokony

                Tsy haiko faritana ny fironjony

    Ny azoko antoka,

    Nisy ampaha-teninao

    Nandrafitra ny ampitsoko

    Nandetika ny ampitsoko !!!!

     

    Ny Ampinga

    07/09/12

    « "FENO..."Lasa ianao mandeha!! »