• RESY

    Inona intsony no hany sisa andrasany
    Fa hivarina izy,
    Hazo amoron-tevana…
    Rotika ny fony ravan’ny fitiavany
    Gina sady kivy,
    Lasa ny tehezana

    Indrisy re ry tsaho namalana ny toky
    Resinao aho,
    Nifarana ny boky…
    Ny vereza faty antsahan-dranomaso
    Sisa ao anaty
    Re manafosafo…
     


    RaAnRaMa
    22-04-2014

    « NY TOKYHO NENIKO »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :