• Te

    TE ...

    Te

    Te hitomany saingy ritra ranomaso,

    Te hifaly saingy songonan'ny ankaso,

    Te hitia saingy matahotra haratra,

    Te ho roa saingy irery hatrany ka tsy zatra,

    Te ho any saingy tsy mahita lalana ombana,

    Te ho afaka saingy mangeja loatra ny rohy mitana,

    Te hifikitra saingy malama maina izato rantsana,

    Te hampiaraka saingy tsy mba sahy ny hitantana,

    Te ho anao saingy miahotra sao ianao manan-tompo,

    Te hihoatra saingy lalina loatra ka lefy hatramin'ny zoto.

     

    RafHon


    votre commentaire
  • Ny masoko eny akia raha toa manganohano
    Tsy ny ratram-poko akory no hikorinany
    Fa piti-dranomaso hanefa ny tsodrano
    Mirary soa anao ho sambatra eo anilany,

    Ny vavako ihany koa raha toa hiloa-peo
    sanatria hanozona na mafy izany lavina
    f’hambara teny mamy sy vavaka ho anareo
    ho to ny faniriana,hahita izay tadiavina,

    nv voadiko iny anefa tsy maintsy ho efaiko
    teny efa voalaza tsy azo ivadihana
    “ny mahafaly anao no ataoko sombinaiko’’
    amin’izay atao hahita fanambinana

    soavadia rahavako ary aza mierikerika
    tozoy ny lalanao aoka tsy hahatsiaro
    sao hanahy ry izy hanjary hieritreritra
    ny lasantsika ho velona,k’ho lasa saropiaro.


    RaAnRaMa


    1 commentaire
  • Ilay vavana iny
    Nahantra iry fahiny,
    Tsy hay fa dia lasa
    Nanangana orinasa

    Izato orinasany
    Hainy sy voatantany
    Niroborobo fatratra,
    Marobe mpanaraka

    Teny an-tsena teny
    Teny rehetra teny ,
    Ny asa no niatomboka
    Hahabe mpiroboka

    Tsy renivola akory
    Fa resa-baiboly
    No fototra niangany,
    Re laza aok’izany

    Ary bala ror a
    Ny azy no akora
    Sy voka-tsarobidy
    Afafy sy amidy,



    Kanefa fahagagana
    No tena mahatamana
    Ireo mpanompo ao
    Fa dia gaga ianao,

    Angamba fitahiana
    Ireny fanampiana
    Ataon-drapasitera
    An’ireo mpidera,

    Angamba re ny nofo
    Angamba tsy hiofo
    F’handova koa ny lanitra,
    Asa an’Andriamanitra !!!!

    Fandroson-tanana
    Sa tara-pahantrana
    Ny vola mora alaina,
    Asa re ry saina !!!!


    RaAnrama
    08-09-14


    votre commentaire
  • ARINDRINA TSY HISETRA NY RIVOTRAO MANDALO NY FOKO

    FA AMPY AZY IZAY TAFIOTRA NANDITSOKA NY MASONY

    TSY NAHITANY AKORY FA, HAY EFA LASANAO NY KANTONY

    DIA, NOFO TSY RAVA SISA TAVELAN’ILAY IZAHO TSISY PENTINA

    SOLAFAKY NY TENY VOADINTY SY ANGOLA MAMPANDRY FANAHY

    KA ROBOKA ANATIN’NY FOTA-MANDREVOM-PAHALAVOANA

    HOENTIKO MODY ANGAHA NY POTIK’IREO HAJAKO TAVELA

    FA IZAY NATOLOTRO HO SORONA KOSA EFA NAFOIKO

     

    Ny Ampinga


  • Mahaleova mahalasàna

    Ry tany hihereko

    Ny am-polon-taona dimy

    Nivahan’ny fatorana tamin’ireo mpanjanaka

    Nosoloana vahoaka an’alan-kisa gejain’ny fahoriana

    Isan’andro isa-minitra…

     

    Zanahary ô, aza adinoina

    Ny mitahy ireo mpitondra

    Mba ho tena voky tsara sy ho henik’azy ireo

    Ny dinitray mianakavy

    F’izahay aleo handady…

    Hikoso-maso tsy hitomany

    Fa ditsoky ny vovoka, ela nilalaovana

    Mpitondra feno rivotra ao am-bava

    Nolaroina rora

    Dia antefoka eny an-tavanay

    Hampanantenana indray

    Fiovana feno vaika

    Mbola miandry izahay

    Tsy miova dina

    Tsy miova faniriana

    Fa faniriana ela nihotrehana

    Dimampolo taona mahery izay…

     

    Ndao indray hanao fombafomba

    Hizara kilalao

    Hisafo andian-tafika

    Hanao lanonam-be

    Hanakonana ny ratra tsy sitran’efa ela

    Ndao indray, hivarotra mitsangana

    Dia hanome galona

    Ireo bekotromaro holatry ny ady fahizay

    Dia avela izao hitohy

    Ka rehefa kelikely

    Ny vahoaka manontolo

    Na mety ho ny maro an’isa

    No ho bekotrom-pahoriana

    Fa tsy maninona,

    Raha izay no mahamety

    Mahamandina takoloka

    Ireo mpitaingintsezan-tsika.

     

    Mirary soa, ho tratran’ny ela mitsingerina

    Ianao ry fireneko

    Tsy mandohalika e!

    Fa mijoro miankinankina

    Fa mijoro ankinankina.

    Hitsingerina tokoa, izao taona tsy azo tanana

    Hifampandova fahoriana eto

    Ireo natsentsin-dava-bary;

    Fa mbola ho maro ihany koa

    Ireo mpambotry firenena

    No hamalona ny hatony

    Amin’ny tolona natao.

     

    Mahaleova mahalasàna

    Raha tsy lasa adala aloha

    Ianao ry Malagasy

    F’izaho aloha handeha hody

    Hariv’izao ny andro

    Ny arendriko efa may.

     

    Ny Ampinga

    270614






    Suivre le flux RSS des articles
    Suivre le flux RSS des commentaires