• RARAKA

    Te handingan-danitra ity eritro, 

    Hihevitra fa ny ary dia fisiana mampitondra faisana  

    Fa nanao inona? 

    Ny anarina no hendry hono, 

    ireny no mbola mihaino,  

    Toa mihena ampitoerana,  

    manaina am-piterahana,  

    Tery izato habaka ka mila mivoaka,  

    Ny ilany mivoatra ny tapany mitroatra,

    Miantso anao hilalao volana,

     Ny valin'ny tsy efa toa mbola mirefa,

     Tsy amin'ny tany fa amin'ny teny mitandahatra,

     Miahotra ny haloaka,

     Manohatra ny tsy antonona azy,

     Mitonona ho lafatra anefa ny tsy aminy,

     Aza mianiana fa mihinana izay ampy,

     Na dia fantatrao fa ampahany ihany ireny,

     Mireny ny rambon-danitra tsy ho azo,

     Haza tsy fanambotra satria maningotra aina,

     Mandrangotra lalan-tsaina maloka fiainga,

     Dia faingana sao tonga alohan'ny foana,

     Hangina ka higagan'ny maso moana,

     Miantso hanoanana lavitr'isa,

     Mampipitrapitra ny efa very fanantenana,

     Vorio ny fanahiny dia torio kobaka,

     Hitobaka hamoa voa tsy lefy,

     Holelafin'ny madiro saina,

     Hotsetsafin'ny fo malaina,

     Milamina izato ianao fa mandroatra,

     Ny angano eto anie ka valofingan'ny ankoatra,

     Etsy asoloko safo ny haotry ny lailainao,

     Raha vao sondriana anefa dia malaina ny handao,

     Soa fa nisy ny takona,

     hanolorako anao ny tokoa,

     Tokony hoe mbola saingy anefa,

     Efa lasan'ny tsy niraika,

     Dia aza manaiky fa mandava,

     Ny lalan-kizorana mbola ho lava!

     Lavo aminao ny mijoro,

     Mikoro aminao ny filanja,

     Dia mihanja-pieritra eo,

     Miaritra ny tsy niniana fa natao,

     Afaho ary ny geja nangadra ny nahim-panahy,

     Afafazo any anatiny ny tsy fanadino,

     Aoreno mora ny tsy mampino,

     Ho fototry ny tsy haorina mitohy,

     Fa manjohy ny tahan'ny rindram-pahalainana,

     Soava tsara ry kalon'ny maraina,

     Ny aloky ny omaly no andeha hovisaina,

     Hampamiratra ny ampitso andrandraina! 

     RafHon

    « FIHAVANANA SANDOKA »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :