• Raisin-tanana

    voalazako omaly
    tao amin'ny pejin'ny tantarako
    fa hokosehiko izy ireo
    satria
    mitabesatra be loatra amin'ny hoaviko
    kanefa mialohan'izany
    dia miala nenina aho
    fa sao mba misy te hanavotra ny anarany ianareo
    izay niaraka nanoratra tamiko.

    Nisy ny dinika nifanaovanay
    ka nivory tao:
    Ry Befonjafonja, mpatsaka ranomaso
    Ry Fenotapany, mpisikidy
    ry vaingandronono, mpandoto ny rano

    Natao telolalana hodingadinganina ny anarany
    nampitondra ozona ho vatsin-dalana ry tantara
    manakoako akorandrika ny antsivan'ny omaly
    misinton-dia mitampody ny fahoriana
    ary nanao longoa mitoto-bozaka ry fanantenana.

    Zava-boahary valahara avokoa anefa ireto izy:
    fa saro-tiana, mananjina, maminavina ny hanimba vina
    tsatoka miandry ny ampitso.
    Efa hafoy vao miran'endrika
    Efa haringana vao miha-botrabotra
    Misaringidringitra mena masoandro...


    Tiako hifandray tanana isika
    handoatra veloma, izaho sy ny sakaiza maro mpiara-mifehy

    Ny Ampinga

    « Ilay noheverina ho namanaAntsan-tononkalo »