• "Androngo nangataka ka ny mody no adiny"
    • "Androngo: tapaka vao mirebika"
    • "Androngo milanja lolo: be am-pitondrana fa kely am-pihinanana"
    • "Androngo an' asa: (amin' ny tany asaina) ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka"

    votre commentaire
    • "Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manankavana afa-tsy ny maty aho, fa raha tonga ny asa cadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina"
    • "Amalon' Imoriandro: tsy hain-jaza tsy haim-behivavy"
    • "Na fy aza ny amalona, ny ielako tsy ataoko jono"
    • "Amalona an-drano ny olombelona, ka be siasia"

    votre commentaire
    • "Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary"
    • "Fony samy madinika (oriory) nifankahalala tsara, ka nony mba manana ve dia mody tsy mahalala ny olona niara-niory tamin' ny tena?"
    • "Matin-drobon' ny adrisa ka fola-pen' ny aketalahy"
    • "Sendra ny fatsora iray trano ka ny sasany mandroboka, mitaona; ny sasany kosa mamely"
    • "Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo"

    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique