• Ny tononkalo tena lafatra

     

    Ny tononkalo tena lafatra

    ,
    tsy izay tsara rima indrindra

     

    fa ilay mampita hafatra


    amin-gadona mirindra.

     

     

     

    Io anie tsy raiki-pohy


    rediredin'olon-daozy

    ,
    fa misy hevitra mitohy


    anaty rima na praozy.

     

     

     

    Rehefa ilay aingam-panahy


    no terena, tsy mba tsarA

     

    tsy azo atosika io zalahy


    amin-dravina voarara.

     

     

     

    Raha ny zava-mahadomelina


    no anerena ny inspiraka


    dia hoatr'i Zafy sy Rajoelina


    na Ravalo sy Ratsiraka

     

     

     

    Mody kanto aloha ny fiaingany

     

    toa hamelombelon'aina


    Hay avy eo miseho ny laingany


    Rehefa lefy izay ilay maina.

     

     

     

    REHefa tapitra ny toakany :


    io fa lany koa ny fikany;


    ka tsy maintsy izao no havoakany :


    Tononkalo tsisy dikany.

     

    ERIC NIAINA


     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

    « Ny Fitia?Eric Niaina »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :