• NY SAMBO

    Impiry ny sambo no nisamboaravoara,

    Notsofin'ny rivotra mafy dia mafy ;

    Kanefa tsy taitra raha efa anjara

    Fa mainka mizotra, na be fafifafy.

     

    Impiry ny sambo no nampitebiteby,

    Natopan'ny alona tsy hita popoka ;

    Kanefa ny tokiko tsy nety voareby

    Fa mainka niampy sy mba nitsotsoka.

     

    Impiry ny sambo no toa nampangovitra,

    Nokatsahan'ny trozona hilentika foana ;

    Kanefa eny ihany, na ny lay aza rovitra

    Manao izay hahatody hanova ny taona.

     

    Impiry ny sambo no toa nampatahotra,

    Mila nivadika sy tsy nety hamikirana ;

    Nefa aho tsy lavo, na hoe vahobahotra

    Fa mainka mijoro sy mba miramirana.

     

                      Fredy JAOFERA

    « EFA NIEZAKA!Ao anatiko ao ihany »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :