• Ny Randrana

     

    Misy ny milaza fa ny volo mirandrana dia mirakitra fihavanana ary azo itarafana ny tsy misara-mianakavy sy ny maha-iray. Ny volo no ambony indrindra eo amin’ny tenan’olombelona, ary maneho ny toerana misy ny vehivavy iray.

    Ho an’ny zaza madinika dia ny randrana antsoina « lambomiditra » na randra-madinika. Manomboka eo amin’ny tovovavy, dia ny « tanana ivoho » no iraisana. Raha vehivavy maty vady kosa, dia « bango tokana », randrana iray ao an-katoka no entiny.

    Raha misy zaza foraina ao amin’ny fianakaviana, dia mirandrana avokoa ny vehivavy ao an-trano : « difisesy » (misesy midina) na « randra-madinika ». Mizara tsy ankasa kosa ny fitondrana azy.

    Ny randraketsa (miendrika ketsa) dia samy manana ny filazany azy isam-paritra : randrankodidina, randramandry, randrambavy, randrambalaika, randramandady, randramiakatra, randranampanga, randrankirondro.

    Maro ireo karazan-drandrana sy taovolo fahiny izay efa zary adino avokoa ankehitriny. Ohatra fotsiny ireto.

    Antaimoro : lafitriakondro, ny telo an-kila, tsitombotomboka, vakimanasa

    Betsileo : bango, bango anakova (randram-bolon’ny zanak’andriana), bango tsotra, kiary (mihodidina), kifetriposa (miendrika tongotra), kifehaka, kihohoka (mivadika), kilafitsotsy, kilafahonofotsy, kilavoahibary, kipetaka, kirazorazo, kisabokisiny (misy fato-bolo bor), kisahondra (mikiramborambo), kitelo, kidimy, kifito, kifolo an’ila (mikiramborambo), kitokandalana (misoritra tokana), kivona, randrana tsotra, rasaraka, tadimpintana, tototsongo, valalamihoatra, vombory, tsaramaha, vonkavia, volo misaona

    « Mita adidyAntso Fanahi-ana »

  • Commentaires

    2
    Mardi 2 Juin 2015 à 16:20

    Finaritra indrindra e, raha ny hevitro amin'ireo ohabolana ireo dia izao. Ilay hoe 'Adala ny manina ka ny tompom-bady no hafarana" dia midika ara-bakiteny hoe tsy mahalala ny olona hafarana izy fa may ny te hahita ilay olon-tiany fotsiny ka na dia ny vadin'ilay olon-tiany aza no mihaona aminy dia hafarany. Ny hoe "sola mindran-kety ka mahabe eritreritra" moa dia ilazana ireo olona manao fitondran-tena hafahafa mety tsy hifanaraka amin'izay zavatra tokony hataony ka mahalasa fisainana ny manodidina azy. Mirary soa e!!

    1
    Vendredi 22 Mai 2015 à 13:19
    Miarahaba tompoko o!! mba mangataka fanampiana azafady amin'ny dikan'ity ohabolana manaraka ity sy ny tiany ahatongavana. "Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana."

    "Sola mindran-kety ka mahabe eritreritra"
    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :