-
NY LEHILAHY
ny tena lehilahy
dia toy ilay vatolahy an_tampon'ny havoana,
ilay mijoro foana
mihafy tsy mifindra na oram_be mikija
na danika hain'andro, fanalan-dranon'ando
na rivotra mifofo sy varatra an-jolofo,
ny tena lehilahy
dia ilay fanahy mitraka sy mahery,
ilay tsy azom_pery
fa sinim-bahaolana
mahafehy irery ny loham_piankohonana,
ny lehilahy rehetra
dia loharano mamy,manala hetaheta
manonaka ny tany,
mpamelon-javaboary
.....sila-Janahary
-
Commentaires