• Ny Fitia?

    famaritana tsy voafandrika an-tsary
    An'eritreritra satria tsy natao ho fantatra
    Norefesiko tamin'ny filahatry ny kintana ary
    Nantsoiko hoe vintana,
    nanjary ankamantatra

    Ho an'ireo olon-drery
    sy ireo olom-dresy
    mitady Hatrany tara-pahazavana
    toa efa fantany sahady
    Fa tsy natao ho azy : fefena,
    elanelanan'hady Hamerana
    ny kisendrasendra tsy hitondra any.

    Ny Fitia ? Tselatra voafintin'ny maso mifampijery
    Mampitsiky vetivety ny lanitra
    saingy avy hatrany
    Dia atelin'ny haizina ho fanantenana very
    Satria latsa-baratra
    natokana ho an'olon-drery.

    Nampitahaiko tamin'ny taratry ny volana mangina
    Nampidoboka ny foko irery tao anaty tomany,
    Dia nanjary tsy tafarina;
    nofy tsy azao takarina
    Satriko tsy nobanjinina,
    nefa indray aleoko ihany...

    Eric Niaina

    « Mi'andry BerantosonNy tononkalo tena lafatra »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :