• Ny faniriko

    Manontany izany foko ô ry volana ô ry kintana
    Ianao no mahalala ny anjara sy ny vintana
    Moa ve hanaiky izy sa handà ny fitiavako
    Fa menatra aho ny hiteny ary vahotra vavako


    Raha hiteny moa ny tena sao dia laviny haviatrany
    Raha tsy hiteny sao lahy mba tiany ihany
    Very hevitra ny tena inona no mety hatao?
    Hiloa-bava ihany ve sa hijanona amizao?

    Ny fanirikoTopy maso iray mijery dia mampidoboka ny fo
    Tsiky kely mora foana dia mampietana tokoa
    Ny fijeriko azy mantsy dia zazavavy iray filamatra
    Tazanina toa zary anjely ,antonina toa zary fatratra


    Hanao ahoana ny hafaliako raha ianao re rahavako
    No miodana eo an-tratrako ka manoroka ny vavako
    Ny fiheverako ny tenako dia toy ny tsy eto an-tany intsony
    Fa misidina avy hatrany any an-danitra eny ambony


    Toa nofy ihany anefa izany raha heverina satria!!
    Tsy sahy miteny akory aho hanambara ilay fitia
    Ka ho koboniko ato foana ve sa andrandraiko ankehitriny?
    Ny faniriako hatrizay ho tiavinao ry olon’iny

    Tapa-kevitra aho anefa anio fa ambarako aminao
    Ny faniriana ato am-poko hatrizay ka hatramin’izao
    Tsy homeko tsiny anefa ianao raha manolotra fandavana
    Eny mantsy ry malala tsy an-tery ny fitiavana

     

    Eric Niaina

    Tononkalo hafa nosoratan'i Eric Niaina => eto

    « Mahereza"FENO..." »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :