• Ny fahanginako

    Ny fahanginako ve no midika ho faharesena?
    Angamba kosa diso hevitra raha izay no jerena;
    Eny , nangiana aho, mba namisavisa ny omaly;
    ny mety ho tohiny .... tsy haiko ny hamaly,;

    Mba nahatsiaro kely dia lasa vinany
    Fa zany akory tsy midika hoe resy aho androany;
    Zaho mino fa mbola hisy fiovana
    Dia ireo olana misy tsy ho sarobahana

    Nangiana aho , nangiana tsy toy ny omaly
    Nangiana satria tsy mba manan-kavaly!!
    Mety ho gaga ianao hoe lasa aiza lay mba tsiky hatrizay?
    ireny mba vanitika niarahana rehefa mba tafaray.....

    Indrisy fa nisolo fahasorenana izy androany
    tsy haiko hoe avy aiza no niavian'izany?
    olona iray tena namana no nanimba ny tontolo
    Dia lasa ny fifandraisako amin'ny rehetra no simba daholo

    Angamba mety mahatsapa tena izy raha mahavaky ity
    Tsy mampaninona ahy na dia ny esoriny tsy ho ami
    fa zavatra kely tsy misy dikany no hanaratsiana olona
    Ny anaram-petaka amin'io tsy hay tononina!!!

    Tsy mankahala anefa aho na manao andolom-po
    Tsy maninona fa anjarako aloha ny voa
    Mi'andry Berantoson tsy leo ny mandefitra
    Ekeko ny tontolo misy iainako toy ny tany an'efitra!!!

     

    Mi'andry Berantoson

    « Andra-pamoizam-panahy Mi'andry Berantoson »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :