• NOFY….

    Nofiko hono…. Zany tenako nanainga ka nimaona !
    Hamonjy toeran-tsy fahita toa nivaona !
    Tan-habaky ny lanitra jinery!
    Tontolo iray toa feno mistery
    Toa tontolo paradisa tsy fahita!
    Bakobako endrehin-java-maro an’isa
    Voninkazo aman-tara-manjopiaka
    Hanim-pofona mamabo sy mangaika!
    Toa tontolo maintso mavan’hatsarana
    Nanintona ny masoko … tsy tana ,
    Ka dia babony ny foko tsy nametra
    Fa niantsapy avy hatrany …dia nitoetra !
    Tao anatin’ity zaridaina kanto !
    Nahitako voninkazo iray malanto!
    Raozy mena midorehi-bolamena !
    Zay nanaitra ny fijery sesehena !
    Dia nandroso sy nilaika zato tanako
    Hioty sy handrombaka azy ho eo an-tratrako!
    Kanjo tonga akaikin’ilay nandrandraina
    Taitra tampoka aho fa… tonga ny maraina !

    Nofy …

    Nofy mamy toa niriko mba haharitra
    Nofinofim-pahasambarana tomefy
    Nofinofim-paradisa an-tany efitra !
    Nofinofy ihany , … nofy misy fefy!

    Ilay zaridaina kanto nonofisiko
    Dia ny fonao izay anirian’ny fitiavana ,
    Ilay raozy mena iray notsiriritiko,
    Dia ny fitiavanao niriko mba hohotazana

    AINGAM-PANAHY F.S

    « ...IFONAKO, MALALA »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :