• NOANA !

    Te hisavika tadio,

    Hanafaka tsapatsapan'ny talily mankadiry,

    Dotra tsy nitazana,

    Mihiaka mankadilo ireo efa lasan-ko razana,

    Sioka manely tioky,

    Toaka mitanika eritra efa lany habaka itazanana,

    Vazana mihintsana,

    Manome fahalalahana ny eo anila very namana,

    Mionona ry tsaroana,

    Mahandrasa ny andro malaza hilanosam-panadinoana,

    Noana tao an-tsopitra,

    Nisopirana fijery ka tsy nahatazana akory izay rotitra,

    Rangotra malefaka,

    Aleo hifafy eny hamolavola izato nofy efa tresaka,

    Trosam-pitia angamba,

    Aroso ao an-dapa toa tsy zatra feno salasala,

    Ikaloina feo manga,

    Feno hemotra izato tsiriritra mitady hanary lamba,

    Lombonana haizina,

    Ao vao hihinjaka mikisary sinto-mora arahan-dola,

    Adala angaha izato izy,

    Zoto donton'ny fanala no randranan-jery feno angola,

    Eo ihany moa ry tamana,

    Tanana efa zatra nitsotra tao an-kabaky ny hafanana,

    No ndeha hanary dia?

    Sanatria, aleo aho ho eto hamentsoventso ny tsaroana,

    Tsy ho foana satria mihanoka hamamoana !

     

    RafHon in "Man drive" 16.04.14

     

    « TOVOVAVY TSARA FA....Mi-A.V »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :