• 'NDAO HIARA- HIENTANA E!

    Raha ny asa soratra no ilaina
    Dia hazoto aho , tsy mba halaina
    Vonona aho , haneho ny kantotsika
    Tena hilaza ny marina fa tsy hoe be tatasika

    Ny zavatra omena dia tena misy marina
    Maneho ny zava-misy, izay saro-pantarina
    Na izaho manoratra aza dia tena variana
    Hay ve zava-bitako mba misy mahaliana!!

    Mba lasa ny saiko ary nandinika tsara
    Maninona moa isika no eto Gasikara?
    Kanefa dia tenin'olon-kafa no dradradradraina
    amin'izay rehefa mbola tsy hay dia mampiferotr'aina

    Fa mba ahoana ny teniko sy ny tenindrazanao,
    Raha tena halalinina, moa ve mba hainao?
    Ekeko fa tsara ny mahafehy ny hafa
    Kanefa mbola tiako ny maheno ny teny gasy rehefa mitafa!!

    Ho anao izay vonona ary dia handao velomina
    Ilay tena haingam-panahy sy talenta fa tsy hoe foronina
    Ambarao sy torio, dradradradrao ny maha malagasy anao
    kolokoly, hatsarao fa aza soloina ny mahaizy azy anao!!!!

    Mi'andry Berantoson
    — miaraka amin'i Hajaniaina Andriarilala.

    « Fitokanana ny trano koltoraly malagasy »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :