• NATAO HISAINANA

    Eh! 'Zato ianao ry fiainana eto an-tany,

    Tsy hitanao akory ireo fo izay mitomany,

    Be ireo mijaly ianjadiam-pahoriana,

    Hany ka misotro ilay rano izay tsy tiana.

     

    Eh! 'Zato ianao ry fiainana eto an-tany,

    Ekena koa fa maro ny zavatrao zay mamy,

    Mamy @ nofo fa manimba ny fanahy,

    Izay no zava-misy saingy tsisy mba miahy.

     

    Eh! 'Zato ianao ry fiainana eto an-tany,

    Ny olona rehetra dia taominao ho any,

    Tambazanao vola sy rendra mandalo,

    Ka mivembena toy ny olona efa mamo.

     

    Eh! 'Zato ianao ry fiainana eto an-tany,

    Ho entinao aiza ary ireto izy izany?

    Fa tena maha ontsa izany fo ato anaty,

    Ny misaintsaina ny ho aviny atsy ho atsy.

     

    Eh! 'Zato ianao ry fiainana eto an-tany,

    Fa nahoana loatra no manao toy izany?

    Fantatrao mantsy fa tsy haharitra ianao,

    Dia ny tsy manan-tsiny ve no ataonao toy izao?

     

    Eh! 'Zato ianao ry fiainana eto an-tany,

    Raha izaho indray tsy ho azonao izany,

    Ny fiainako rehetra dia ho an'i Kristy,

    Ka izy no faniloko mpitarika ny Dia.

    Niaina Jacque Harï

    « Niaina Jacque HarïNIRAVO »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :