• Namako ianao

    Namako ianao
    Naman-tsy foy
    Ireo rehetra fanao
    Dia mbola mitohy
    Tsy mba mifanary
    Na inon-kidoana
    Raha misy marary
    Dia tonga tsy antsoina
    Tsy iray tampo
    Fa mpinamana ihany
    Rehefa misy manjo
    Mifampizara hatrany
    Raha misy tsy mety
    Dia io eo foana
    Na korana na fety
    Tsy mifidy fotoana
    Mifanohana hatrany
    Tsy mba mifandao
    Raha latsa-tomany
    Mamafa ianao
    Rehefa sendra mitafa
    Tsy te hisarak'izany
    Nefa ilay masoandro efa lasa
    Ka tsy maintsy hamonjy ny akany
    Dia rahovina vao hiposak’indray
    Ilay jiro fanazavan’ny tany
    Mba hahitako ’lay namanay
    Tsy lavitra fa akaiky ihany
    Ka hirariana ho mandrakizay
    Hifanohana sy hifanampy
    Fa tsara ny roa noho ny iray
    Ary sambatra izay mifanampy

     

    Eric Niaina

    « vorona! embonaMahereza »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :