• MPANAO PÔLITIKA

    Vahoaka Malagasy,ataonao kilalao  

    Avela hangasihasy,aiza no tsy ho lao...  

    Fampanantenam-poakaty sy lainga mora afafy  

    Misotro ny "aleoko maty",fa sasatra miafy.  

     Lazainao fa ianao hanarina ny tany.

    Kanefa aiza izao izany teny izany?

    Ampandriana hadrisa, omena fampatoriana

    Tsy hampisy disadisa,saingy migoka fahoriana.

     

    Azonao ny seza, bahananao ny toerana,

     Ianao milaza ho ngeza, ka hoe azo ianteherana;

     Impiry impiry izay:

    ianareo milaza hoe samy mahay mandrotsirotsy zaza...

    Hay ka ny vahoaka no amidinao mora,

    avy eo 'nareo mitsoaka, mandre ny hoe miesora.

     

    Ianao milaza ho mazana sy mahavita azy,

    Mody mihidy vazana,hay mivazivazy;

    Omenao tambitamby mba hiadananao

    Ireo valala be mandry,ka araraotinao,

     

    'Nareo ilay milaza ho mahalala ny fijalian'ny Gasy,

    Mihevitra azy ho adala...??

    Mandripaka amin'ny basy.

    Hay pôlitika ny anareo

    Anaovanaovam-panandramana,

    Tsy mba nihaino izay feo

    Mikatsaka ny fiadanana.

     

    Mba hainareo ihany nefa ny nisintona ny sainy;

    Tsy nampoizina kanefa...

    Nalanareo hatramin'ny ainy!

    Nefa dia hatramin'izao

    Tsy mahamenatra anareo,

    Ny manao izay tiana atao,

     

    F'ianareo rahateo tompom-pahefana ambony,

    mpanapaka ny firenena,

    Tsy mijery ambany intsony

    F'efa anareo ny harena.

    Raha mba tao an-tsainareo

    Fa misy farany ihany lahy Ireo fanjakazakama

    ireo tsy mba ianareo no ho sahy hanapa-pahefana

     sy hanao hadalana

    Imason'ny vahoaka tompon'ny safidy,

    sy rain'ny firenena

    Andrasanao hitroatra

    vao mba mody omena teny indraim-bava

    sy hataka andro lava...

     

    R.L.M (22.09.2010) 

    « MA..TYfanatsafana »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :