• Mihasimba ny tontolo !

     
    Atsetsatsetsa-tsy aritra izy ity mikasika ny tontolo ankehitriny...
    Mihasimba ny tontolo !
    Fa tsy voakolokolo ireo zavaboahary
    izay nataon’ilay Nahary.
    Fa isika no mandringana,
    mahalany ny tamingan
    mahalany ny tamingan’
    ‘ireo biby any an’ala,
    fa minia tsy te-halala…
    Mihasimba ny tontolo !
    Fa ny tanety izay doroina;
    ireny hazo izay kapaina;
    ireny biby izay vonoina, dia marary mitaraina
    fa tsy fantatrao ny feony…
    tsy henonao ny fitoreony.
    Fa miantso tody izy ireny
    fa saingy tsy afaka miteny…

     

    Dia aza gaga!

    Raha miseho arak’izany
    ny fahantràna ts’hita lany;
    ny loza maro samihafa;
    ny rivo-doza izay mandrava;
    ny haitany sy ny sisa…
    ka fahoriana tsy hita isa no mahazo antsika olona.
    Mihasimba ny tontolo !
    Maro ireo mimonomonona!
    Fa tsy mamokatra intsony
    ny tanimbary izay volena.
    Tsy misy tombony akory,
    f’izay afafy toa mihena.
    Dia manjàka ny mosary!
    ka mihamaro ireo marary,
    ny fanafody anefa lafo,
    nefa zara, raha misakafo…

    Ary! ny hiafaràny,

    Raha mbola misy ihany,
    ny zera-baomban’ireo ady,
    dia ho triatra ka ho vaky
    tsy hiodina intsony, fa hijanona ny Tany…
    Dia ho loza angamba izany…
    ka ho andro mitomany…
    izay ilay andro fiafaràny…

    Zeze Razaf.
    « Lasa ianao mandeha!!Zeze Razafimanana »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :