-
Mamangy amin’ny fitiavana
Antson’ny hanina tsy taka-dranomaso
Mitsena ny ratsan-tanan’ireo saiky tiana
Tonga teo atsasa-dalana fa navelan’ny tadidy
Ho rendrika mora sy ho ritra tsiaro.
Latsaka an-dalana fa latsa-pitiavana
Tsy hay nampitoniana fony iny nametrahana tantara
Tsy hay nampitoniana fony iny napetraka sisa ho tantara…
Fa mifika ranomaso amoron’ny fon’ny manadino.
Tsy mety misondrotra ny resaka famafana alahelo
Ka na tapa-teny aza tsy tongako ho anao
Hanalefaka ny vay, manomboka maniry
Hamela holatra saro-miala ao anaty.
Nisy dingana nampaniry hetaheta
Nitory koa ny feon’ny nofo hiara-miaina
Raha ny faniriany dia mba hiaraka hitoetra
Saingy ringitra ny toky, naniry teo fa maina.