• malala O

    maro ny eson-teny
    matetika manjo
    re eny ho eny
    mankarary fo

    miampy latsalatsa
    ataon'ireo tsy tia
    mihendry sy mikasa
    hamoana ilay fitia

    be ny rabiraby
    mankarary aina
    mila hampiady
    f'izao no ataovy an-tsaina:
    ny amiko tontolo
    d'efa anao daholo
    ary aza miahiahy
    f'ity malalanao
    vonona sy sahy
    hiatrika izany,
    hitia anao hatrany

    ireny bedibedy
    ny akoran'ny tsy tia
    avela hirediredy
    himalo koa satria:

    fitia tsy misy pentina
    ilay nomeko anao
    ts'ho lo na ho arafesina
    mitoetra ho vaovao,
    manomboka eto an-tany
    hatrany an-danitra any


    raanrama

    « ekeko Ray OKolontsaina Malagasy sy fitsaram-bahoaka »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :