• Mahereza

    Raha sendra manirery,

    Lavidavitr'olontiana,

    Aza mihevitry ny ho very,

    Sento iray dia fitsikiana.

     

    Raha sendra manimanina,

    Tsy eo anilan'ireo havana,

    Aza mety ho valalanina,

    Misentoa mba ho mavana.

     

    Raha tojo haravoana

    Nefa ianao toa singan'olona,

    Tsy voatery hoe himoana,

    Sento no ataovy tolona.

     

    Raha sedraim-bisavisa,

    Mila tsy ho zaka intsony,

    Dia misento no hany sisa,

    Hery enti-mampitony.

     

    Raha sendra fahoriana,

    Diso hevim-piantsampy,

    Halaviro ny hakiviana,

    Sento tokana dia ampy!

     

    LUTORIMA

     asa soratr'i LUTORIMA hafa:  eto

    « Namako ianaoNy faniriko »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :