• MA..TY

    Mitsiatra ny fo nampidoboka ny nofiny,
    Nitsahatra ny entona nanafana ny nofony,
    Miamboho fisiana ny salovana ela niatrika,
    Nandao tsy hiverina ilay endrika mahafinaritra.

    Nofonosiny fahafatesana ilay tsikiny mamiratra,
    Mandalotra ny singa hovatsiana efa maro silaka,
    Ny hanitry ny tsiahy no indro mameno ny efi-paty,
    Mivenjivenjy manangona ireo tsiaro sisa tsy vaky.

    Natao fato-maty izato saina efa difotry ny tory,
    Fetram-pifandraisana mandamaka sy mahaory,
    Madiva ny fisarahana hanolorana ny mandra-pihaona,
    Mialoha lalana tsy satry ity fanahiko vonto saona.

    Fasana, mampitondra faisana ireo malai-misaraka,
    Mamesatra fisaina, manintsana ny efa raraka,
    Mizara alahelo sy mitondra ditin-gidy sarotra atelina,
    Miandry ireo mamikitr'aina izay marefo sy mihelina!

    Dingana ihany anefa izany ka tsy handaniako tomany,
    Ny dona efa nirotsaka sanatria tsy natao hahapotraka,
    Maso miarina ny aty mbola manantena rivo-pamonjena,
    Vina mpiatrika ady, tokan-teny dia ny mioty fandresena!

    RafHon

    « Andeha hotiaviko ianao...MPANAO PÔLITIKA »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :