• Lasa ianao mandeha!!

    ary aza antsoina intsony ny laharan’ny findaiko
    fa tonga de fafao!
    Ary aza alefa akory sao handreraka ny saiko,
    raha izay hafatrao!

    Ka ajanony dieny izao!
    Raha mitetika hifona toy ny mahazatra.
    Fa tena vitanao,
    ilay niara-nidola tamin’olonkafa.

    Tsy Gisa aho akory,
    ka ho langolangoina odiana mitomany…
    Tsy adala aho akory,
    ka ho safosafoina de hanaiky an’izany.

    Koa, ahorony ny entanao,
    fa tsy tiako ho hita intsony raha izay tavanao
    Indreo ny akanjonao,
    fa tsy tiako ho heno akory ny ranomanitrao.

    Zeze Razaf.
    « Rindram-penikoMihasimba ny tontolo ! »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :