• LASA AHO

    Handeha aho ka hamela anao

    Ianao 'lay tsy foiko

    Tsy sanatria hoe handao

    Fa io no lahatra avy amin'ny Tompo.

     

    Tsy midika inona ny fisarahana

    Io no lalam-piainana eto an-tany

    Tsy hisy akory fitsaharana

    Raha ny momba izany.

     

    Fisarahana izay mangidy

    No natolotro ho anao

    Tsy ahy anefa ny safidy

    Ka mamela ahy raha sitrakao.

     

    Fisarahana maharitra

    No indro eo an-tananao

    Izay tsy hita hoe voafaritra

    Hatram'zay ka hatram'zao.

     

    Mi-A.V

    « Mi-A.VZANDRY »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :