• Kolontsaina Malagasy sy fitsaram-bahoaka

    Fitsaram-bahoaka ny:

    Oktobra 2013: vazaha roa maty nodoran’ny olona velona tao Nosy Be

    8 martsa 2014 Ambalamanasana Toamasina, ramatoa niharan’ny fitsaram-bahoaka

    25 martsa 2014 Ambatofinandrahana dahalo efatra matin’ny fitsaram-bahoaka

    03 Aprily 2014 Lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka raha saika hangalatra moto

     

    Ry Malagasy, tsy hanao antso hamoha fota-mandry ho an’izay voakasika mivantana na mahatsapa ho niharam-boina tamin’ireo daty vitsivitsy ireo akory ny tenako fa hisarika ny saintsika kosa amin’ny fitodihana amin’ny fahendrena Malagasy.

     

    Hita tato ho ato fa romotra ny vahoaka, leo ny mangidy tsy telina atohoka ny vavany, mainka koa manampy trotraka ny fangalarana sy ny ota-fady ataon’ireo tsy mataho-tody. Hany ka miteraka hatezeram-bahoaka tsy hay fefena.

     

    Fandorana velona, dodaina ny vato sy vy ny olona,  tapahana amin’ny atsy ny tanany, darohana kibay, vaky rà ny sofina, ny tanàna, fanindronana zava-maranitra ny tenan’olombelona… Ary ny sasany dia miafara amin’ny famoizan’aina izany.

     

    Manoloana izany habibiana izany no isarihana ny saintsika, handinika lalina. Sao lahy mivelirano ny tsy hisara-mianakavy isika fa manary ny havana boka.

     

    Raha tarafina amin’ny fahendren-drazana ny maha-sarobidy ny aina sy ny olona dia toy izao:

    Lahy tokana ny aina

    Ny aina tsy ananan-droa

    Ny olombelona no harena

     

    Ka manoloana izany, misarika ny saintsika hihevitra mandrakariva fa ny tendrom-po tsy mba namana. Alaina ambony, alaina ambany ny fanapahan-kevitra mialohan’ny hanatanterahana azy.

     

    Tsongoy fon’olona, tsongoy fon-tena hoy ny Ntaolo, fa raha afaka anarina ihany re dia anaro fa adalan’ny tena. Tsy ny herisetra, na fanaova be noho vitsy, na fanaovana tsindrio fa lavo no hampisy vidy ny Malagasy toa antsika, fa ny fanehoam-pitiavana sy fanajana.

     

    Raha misy olona nahavita ratsy, tsarao amin’ny hitsiny, tsarao ara-drariny ary omeo ny sazy sahaza azy mba ho anatry ny sisa.

     

    Manainga anao ny Instant Malagasy hitodika amin’ny fahendrena Malagasy, ilay fahendrena manaja ny aina, manome hasina ny fanahy maha-olona, sy ny fitandroana ny fifanajana sy ny fitiavana.

     

    Teny atsipy ho an’ny manam-panahy, ho dinidinihin’ny mpahalala ary iriana ho tafapaka ao am-pon’ny tsirairay.

     

    Instant Malagasy

    « malala OHO AIZA ? »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :