• Kolontsaina fanasina

     

    Instant Malgache, Segondra, Minitra, Ora, Andro, Volana, Taona... Fotoana ho an'ny Malagasy sy ny maha-malagasy. Instant Malgache no hitantana anao indray hiaina ao anivon’ilay Tontolo tena Anao.  Teraky ny fitiavana ny kolontsaina Malagasy ny Instant Malgache.  Fikatrohana miaraka amin’ireo sakaiza mpivoy kolontsaina hanangona ny rakitry ny ela no tanjony.

    Hoy indrindra ilay fitenenana noforonin’ilay Andrarezin’ny kabary izay manao hoe: “andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”.

     

    Ny fahaMadagascar, un pays d’inspirationmaikan-tsika loatra ho any amin’ny fiovàna no nitondra poizina ho an’ny kolontsaina. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fahaverezan-kasin’ireo fomba Malagasy maro mandritra ny fangataham-bady sy ireo fanajana ny razana aho.

    Vitsy sisa ireo foko, na fiaraha-monina eny ny Malagasy afaka nitahiry izany fomban-drazany izany.  Ny mifanohitra amin’izany aza no nisy satria dia navelantsika Malagasy ho viravirain’ny mpiavy ny kolontsaina sisa mba tavela taorian’ny fanjanahan-tany tamin’ny 1896 hatramin’ny 1960.

    Hoy ity Malagasin’ny taona 2014 hoe: “Tsy ilaina ny fomban-drazana”. Dia hitako sary an-tsaina ireo Razambe, Olobe latsa-dranomaso! Marina anefa ny an’ity Malagasy! Tompon’antoka amin’ny fahaverezan-kasin’ny kolontsaina izaho sy ianao. Satria samy nandray anjara tamin’ny fanariana Hasina azy. Natakalontsika ny an’ny hafa ny voalo-han-karenantsika.

    Noho izany indrindra no,

    Nananganana an’izao blaogy izao. Mba handray anjara amin’ny fanangonana ny very ka hanangana indray ilay tena kolontsaina Malagasy. Na dia izany aza, dia tsy azo hiadian-kevitra ny mety ho tsy fahalavorarian’ny tahirin-kevitra ho hita ato, noho ny fisampanan’ny kolontsaina Malagasy.

    Nefa, atao toy ny mitelina vomanga bingo e, any an-tenda no manitsy azy. Atao toy ny toko tapaka sy vilany mitongila, ka izay tsy mety mba hiaraha-manarina.

    Notsongaiko ato amin’ity blaogy ity ny sahan-kolontsaina toy ny Kabary, ny tononkalo ary indrindra ireo kasinga mifandray mivantana amin’ny teny hoe kolontsaina Malagasy amin’ny ankapobeny.

    Raha te-hifandray amiko ianao dia aza misalasala manoratra, ity ny rohy afahafana manao izany.

    Raha te-handray anjara amin'ny fampidirana asa soratra kosa ianao dia jereo ity rohy ity.

    Araho ihany koa ny Instant Malagasy ao amin'ny Google+

    Mirary fahafinaretana feno ho anao eo ampitsidihana ny pejy rehetra.

     

                                                -----------------------------------

    Une seconde, une minute, une heure, un jour, un mois ou une année... consacrons du temps pour notre culture. Instant Malgache vous fait revivre votre culture, votre identité. Je rejoins mes amis de la culture pour naviguer avec eux à la recherche de nos tresors perdus qui sont nos cultures.

    Je partage le dicton d'un grand orateur ici « louez votre langue tout en maitrisant la langue des autres ».

    Notre engouement pour le changement est devenu une fatalité pour la culture. Si je ne parle que des différents respects de la tradition pendant les cérémonies de mariage, ou pendant les processus funèbres.

    Plus rares encore sont les tribus, les sociétés, les individus qui ont réussit à garder la richesse culturelle de leurs ancêtres. Au contraire, ils ont laissés facilement le vent destructeur du changement déraciné le peu de culture qui reste de la colonisation du 1896 au 1960.

    Un Malgache de Madagascar, un pays d’inspiration2014 à dit : « Pourquoi perdre du temps à suivre les traditions ? » Je vois les ancêtres en larme ! Mais il a raison de se demander une telle question. Nous sommes tous responsables de la disparition du respect d’une culture. Car chacun d’entre nous à contribuer à destituer nos valeurs et le propre de notre existence, pour laisser place à des valeurs qui ne sont pas les notres.

    Aussi,

    ce modeste blog essaye de contribuer à la recherche de la culturelle malgache. Toutefois, son contenu n'est qu'une goute d'eau dans l'océan face à la grandeur de la culture de notre pays.

    Pour ma part, je vous propose quelques spécificités de plusieurs pratiques malgaches: du discours (kabary), de la poésie et évidemment tout ce qui se rapporte à la culture Malgache en générale.

    Je suis un homme passionné comme vous, et je souhaite surtout obtenir de vos échos, n'hésitez pas à m'écrire en allant sur ce lien.

    Participez aussi à la vie de ce blog, c'est par

    Je  vous souhaite une agréable visite sur mon blog.

    Suivez moi dans Google+

     

     

     

    Dona ny endrina »

    Tags Tags : , , , , ,
  • Commentaires

    3
    Avijn
    Lundi 2 Juin 2014 à 12:09

    Tsara be ilay Site o!

     

    2
    Johanes
    Mardi 5 Novembre 2013 à 16:45

    Tiko le hevitr an! indrindra le tononkalo

    1
    Rija
    Mardi 5 Novembre 2013 à 07:23

    Mahafinaritra ny fahitana takelaka toa itony, maromaroa ny toy izao dia misaotra ny mpanoratra e!!!

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :