• IZA ?

    Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita zavatra
    'zay nitondra rehetra sy ny olom-boafidy,
    Kanefa jereo ary mbola aiza no mifatratra
    Ny fiainam-bahoaka raha hoe sarobidy ?

    Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita an'itsy
    Na an'izao rehefa tonga amin'ny tanjona,
    Kanefa nahoana no toa tsy hita mihitsy,
    Niova ho olon-kafa sy tia nianjonanjona ?

    Iza no tsy nilaza fa tsy tia olanolana
    Mamatotra ombieny an'ity Gasikara ;
    Kanefa nahoana no toa niholantrolana
    Rehefa mba nasaina nitady ny tsara ?

    Iza no tsy nilaza fa tsy hitondra avo
    Ny haja sy hasina ity tanindrazana,
    Kanefa dia aiza fa toa manjavozavo
    No iainana hatrany sy mbola otazana ?

    Iza no tsy nilaza fa tsy tia firenena
    Ireo nikatsaka lava izay hampandroso,
    Kanefa ary ahoana no mampahonena
    'reto olona maro mitady ny loso ?


                                             
      Fredy JAOFERA

    « Ao anatiko ao ihanyteny roa »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :