•  

    Misy ny milaza fa ny volo mirandrana dia mirakitra fihavanana ary azo itarafana ny tsy misara-mianakavy sy ny maha-iray. Ny volo no ambony indrindra eo amin’ny tenan’olombelona, ary maneho ny toerana misy ny vehivavy iray.

    Ho an’ny zaza madinika dia ny randrana antsoina « lambomiditra » na randra-madinika. Manomboka eo amin’ny tovovavy, dia ny « tanana ivoho » no iraisana. Raha vehivavy maty vady kosa, dia « bango tokana », randrana iray ao an-katoka no entiny.

    Raha misy zaza foraina ao amin’ny fianakaviana, dia mirandrana avokoa ny vehivavy ao an-trano : « difisesy » (misesy midina) na « randra-madinika ». Mizara tsy ankasa kosa ny fitondrana azy.

    Ny randraketsa (miendrika ketsa) dia samy manana ny filazany azy isam-paritra : randrankodidina, randramandry, randrambavy, randrambalaika, randramandady, randramiakatra, randranampanga, randrankirondro.

    Maro ireo karazan-drandrana sy taovolo fahiny izay efa zary adino avokoa ankehitriny. Ohatra fotsiny ireto.

    Antaimoro : lafitriakondro, ny telo an-kila, tsitombotomboka, vakimanasa

    Betsileo : bango, bango anakova (randram-bolon’ny zanak’andriana), bango tsotra, kiary (mihodidina), kifetriposa (miendrika tongotra), kifehaka, kihohoka (mivadika), kilafitsotsy, kilafahonofotsy, kilavoahibary, kipetaka, kirazorazo, kisabokisiny (misy fato-bolo bor), kisahondra (mikiramborambo), kitelo, kidimy, kifito, kifolo an’ila (mikiramborambo), kitokandalana (misoritra tokana), kivona, randrana tsotra, rasaraka, tadimpintana, tototsongo, valalamihoatra, vombory, tsaramaha, vonkavia, volo misaona


    2 commentaires


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique