• IOMBONAKO

    Iombonako aminao rehefa misy ny hafaliana
    Iainana isan'andro sy misosa moramora ;
    Iombonako aminao rehefa indro fitahiana
    No mandrakotra eny, na minitra na ho ora.

    Iombonako aminao rehefa misy ireo tomany,
    Mipatrapatraka sy lazaina toa tsy telina ;
    Iombonako aminao rehefa indro fa ny tany
    Mitondra fahoriana sy mila hanelingelina.

    Iombonako aminao rehefa indro fa ny hafatra
    Mba feno fahasambarana sy mody tena miafina ;
    Iombonako aminao rehefa indro tonga lafatra
    Ny hita rehetra rehetra sy izay efa tarafina.


                                 Fredy JAOFERA

    « teny roaFredy Jaofera »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :