• IMALIKO

    ARINDRINA TSY HISETRA NY RIVOTRAO MANDALO NY FOKO

    FA AMPY AZY IZAY TAFIOTRA NANDITSOKA NY MASONY

    TSY NAHITANY AKORY FA, HAY EFA LASANAO NY KANTONY

    DIA, NOFO TSY RAVA SISA TAVELAN’ILAY IZAHO TSISY PENTINA

    SOLAFAKY NY TENY VOADINTY SY ANGOLA MAMPANDRY FANAHY

    KA ROBOKA ANATIN’NY FOTA-MANDREVOM-PAHALAVOANA

    HOENTIKO MODY ANGAHA NY POTIK’IREO HAJAKO TAVELA

    FA IZAY NATOLOTRO HO SORONA KOSA EFA NAFOIKO

     

    Ny Ampinga

    « Tsimandrimandry dimampolo taona lasaORINASA »