• Ilay noheverina ho namana

    olona iray nandrian'ny fo sy saina

    no hany tokana mba nantenaina

    mba hanome fifaliana sy fitiavana

    nandrandraina mba hampihavana

     

    raha ny zava-misy no hasian-teny

     dia nahafinaritr ireny fiarahana ireny

    saingy niova tamin'ny fotoana farany

    indrisy fa nifarana teo ny tantarany

     

    ninia nanadino ve sa hodian-tsy tsaroana

     ireny fanaovana hafatra* rehefa misy fotoana

     ireo toky sy teny mba nambabo ny fo

    sovenira sisa, fahatsiarovana tokoa

     

    nomena ny enti-mody hampiasana ny loha

    nomena ny teny, ho raketina ao am-po

    nomena ny fo , hizarana ny fitia

    nomena ny fitia, natao ho doria

     

    saingy tsy izany anefa ny zava-niseho

    fa ny avona no setriny ilay teo

    raha mba niezaka ny ho tsara taminy

     ankehitriny nefa toa lasa filaham-baniny

     

    nangina tanteraka tsy tsaroana intsony

    nangina satria tsy ilay nieritreretin'ny fony

    fa nahoana? izay angamba no lahatra

    Eny miaiky fa misy ny mpandahatra!!

     

    any andro iray hatsiarovanao ahy

    mety kisendrasendra no hihaonana amin'izay

    na ny anarana aza angamba mety hadino

    amin'izay ianao mety hiteny hoe tsy nampino!!!!!!

     

    tsy hitako intsony izay azo ambara

    any fotoana iray any afara

    mino aho fa hihaona isika

    finoana izay fa tsy hoe be tatasika

     

    Mi'andry Berantoson

    « Saraky ny aikoRaisin-tanana »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :