• Ilay diariko…

    Ilay rangotry ny tanako

    Hany mba fananako

    No ahatarafanao

    Izay ho avin’ny taranako

     

    Ilay sonia napetrako

    Ireo enjika niharetako

    Dia ahatsinjovanao

    Ny sento sy hetahetako

     

    Na ilay kanto nofidiako

    Na ilay raozy tena tiako

    Dia voarakitra ao

    Fa loharanon’ny fisiako

     

    Ilay tsiky teo am-bavako

     Ny fifaliana eo amin’ny tavako

     No hotaratrao

    Ho valin’ny fivavako

     

    Ilay endrika efa halako

    Toa abahana ny lalako

    Nefa dia ho hitanao

    Dia ilay mamiko ,malalako

     

    Ireny sedra nolalovako

    Ireny hany fahatsiarovako

    Tsy maintsy mbola ho tsinjonao

    Na hampikoro ny hany rovako

     

    Ireo fahoriana izay nandratra

    Ny alahelo tsy omby tratra

    Iriako mba aseho anao

    Fa ity foko no efa zatra

     

    Izay no antsoiko hoe soratra

    Na dia namela olatra

    Mba nezahiko ihany

    Fa tiako mba ho fongatra

    Ao anatinao izany

    Noé 11/10/06

    « NoéTsy haiko intsony…. »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :