• IFONAKO, MALALA

     

     

    Ireo teny tsy voahevitra, nandratra ny atifonao,

    Ireo fanapahan-kevitra nokasaiko ho natao,

    Ireo eritreritro nivoana, niampanga, niahiahy

    Toa didy ts’isy hoe nahoana… nandrotidrotika fanahy…

    Ifonako aminao, malala :

    Tia aho, ka toa adala…

     

    ny ranomasoko iny nirotsaka satria tsy tana;
    Iny tebitebiko iny, tsy mba haiko noraràna;
    Ireo teny nankarary nosoratako ho anao,
    Fihantsiana niharihary, filàna ady tsotr’izao…
    Ifonako aminao, ry aiko,
    Ny mitia angaha no tsy haiko…

     

     

    Ny tsy mba niheverako izay mety hoe nanjo anao,
    Fa nentin’ity fitiavan-tenako, tsy nisaina afa-tsy ny izaho;
    Ny tsy fahaizako nitia sy nankamamy ny anjarako,
    Ity fahazarako ninia te hanova ny tantarako…
    Malalako, mifona aho,
    Miangavy, mitalaho!

    Fikasàko manombok’eto ny hanova fomba fisainana,
    Izay anjarako ho ekeko, ho lavitra ahy ny fitarainana;
    Hasambarana, hafaliana, ireo no inoako hiainantsika,
    Salanitra fa tia ka tiana… paradisa ny antsika…
    Raha sendra misy hadisoana,
    Mba iantrao rehefa mifona…
     

     Eric Niaina

     

     

     

    « NOFY….FITIA ADALA »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :