• HO NENIKO


    Fantatro mialoha,
    na mbola tsy mivoha aza itsy varavarana
    voasoratra fa lalana ho amin’ny ampitso,
    fantatro: tsy diso
    raha ny eritreritro
    fa ,eny,mbola ho neniko
    ny maminaninany,
    mitety vazan-tany amin’ito peniko.

    Fantatro sahady
    Ireny rabiraby na koa eson-teny
    Hahazo eny ho eny;
    Ao ny fiarahamonina
    Mbola himonomonona,eny,mbola hitroatra
    Hihevitra ahy adala
    miseho ho mahalala
    ny ampony tsy miloaka;
    ao ny hanendrikendrika
    hilaza fa tsy mendrika,efa very saina
    asosantsosan-daina,
    nilaozan’ny fanahy ny maha-olona ahy,

    ho avy ireo tsy faly,
    ho avy hampijaly hanao tsinontsinona,
    kanefa tsy maninona ny ratra hianjady,
    tsy himenomenona
    f’izaho efa an-kalana, aro tsy hamantanan’
    ny maha olombelona
    hivarina an-kady.


    RaAnRaMa
    11-04-14

    « RESY »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :