• Ho mazava ny tontolo


    am-panahy manoa fa misy,
    an-tsain-tsy mandà ny eo,
    tontolo mifanosona ho rary
    rary mety ifanitsahana sy ifanozonana
    Antenaina isan-tsegondra ny fanajana
    dia ny fanajana ny anjara masoandro
    fa moa na amin'ny alina aza
    tsy hitady hazavana?
    Saingy, ataon'ny fitia te-hitroatra ahoana
    no mbola hiafina foana?
    ataon'ny sento efa lo tao anaty
    hivadika ho ratra ny fery taloha
    satria ny tontoloben'ny misy
    tsy mamelo masoandro roa miara-mamiratra
    satria ny tana-niandrandra mpandray
    dia efa zary lasa toa zaza kamboty
    ravina saraka aman-taho
    tsy manan-tsafidy amin'izay hiafarany
    (raha tsy hoe: efa izay no hiafarany!)

    Satria ialahy no nitady ny Ampinga,
    hiarovana sy hananganana ny hazavana
    mba ho tamana ao amin'ny efitry ny fanantenana
    dia hiombon'isika
    Hanjaitra nofon-jozoro matevi-koditra,
    handrary arindrano mikitroka,
    hanefy fisainana matanjaka,
    hamefentsika ny haizina tsy handresy ny hazavana ao amitsika
    Fa tontolo misy ahy
    tontolo misy ny rahalahiko,
    ary tontolo tiana hiorenan'ny MAZAVA.

    Ny Ampinga
    20/08/12

    « Hitoky foana izatsy izyAvela ho samy diso »

    Tags Tags : , , ,