• HO INONA

    ho inona tokoa raha toa ka mbola hikoro
    ny nofo antenaina sy hita fa mijoro,
    kanefa hiavonana,hanamboniana tena
    fasana toa kanto mirava_bolamena,

    ho inona tokoa raha toa ka mbola ho foana
    ny vola aman-karena nangonina aman-taona,
    kanefa hitompoana,entina hirehana
    hanaova-tsinontsinona ny mpiray tanàna,

    fa ho inona tokoa moa ity olombelona
    raha tsisy ny fanahy entiny mivelona,
    zava-poana ihany tahaka ny akora
    ilaozan'ny fanahy,ho foana moramora.

    RaAnRaMa
    10-04-14

    « SAROBIDYTOVOVAVY TSARA FA.... »

  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :